Dossier

Manizingizina ny orinasa STAR “Manaja ny tontolo iainana izahay”


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany nanazava ny mikasika ny fiavian’ny katsaka hampiasainy ho akora fototra hanamboarana ireo zava-pisotro vokariny, omaly ny orinasa STAR, taorian’ny nandefasana fahitalavitra vahiny iray fanadihadiana toa miampanga ity orinasa ity.

Fantatra tamin’izany fa fifanaraham-piaraha-miasa mazava sy voarakitra an-taratasy no tanterahiny amin’ireo tantsaha mpamboly izay mifanohana aminy. Anisan’ny voarakitra ao anatin’ny bokin’andraikitr’ireo tantsaha mpamboly katsaka hampiasain’ity  orinasa ity ny fanajana ny tontolo iainana. Tsy mandray vokatra azo avy amin’ny fanimbana ny tontolo iainana izy ireo na avy aiza na avy aiza. Hisy ny fanadihadiana momba ny faritra voaharo hotanterahin’izy ireo ao Menabe Antimena izay iarahana amin’ireo  mpanao fanadihadiana tsy miankina. Havoaka ampahibemaso aorian’izay  ny vokatra azo mba hahafantaran’ny rehetra ny tena marina.  Tsiahivina fa vokatry ny fitombon’ny mponina ao Antimena no antony iray niteraka ny fahasimban’ny ala tao an-toerana niampy ny afo. Mirefy 44 600 ha ihany anefa no tany azo trandrahina ao an-toerana. Hifanohana amin’ny orinasa amin’ny fiarovana izany ny Ong Fanamby sady hanome fiofanana ireo olona eny ifotony.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT