Dossier

MALAGASY TIA MIFETY FANAKONANA FAHANTRANA


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Mahagaga fa rehefa mifarana ny herinandro, indrindra ny zoma manifika, dia maro ny Malagasy mandeha mifety. Feno daholo ny toeram-pisotroan-toaka,

 

ny karaoke, ireny efitrano fanaovana cabaret ireny. Matetika aza moa dia feno fiara eny rehetra eny ary miteraka fitohanana mihitsy. Voakasik’izany daholo ireo sokajim-piarahamonina maro samihafa. Eo indrindra no mampametra-panontaniana hoe manam-bola ihany tokoa ve ny Malagasy ka afaka miliba amin’izany rehetra izany ? Ny zavatra tsapa aloha dia ny hanala sorisory no maha maika ny maro noho ilay rotorotom-piainana sy ny fahasahiranana. Ary mety misy foana ny manam-bola mitondra ireo namana na havana tsy manana. Izany rehetra izany moa dia mbola ahafahana mitaratra ihany fa maro tokoa ny sehatra tsy ara-dalàna eto Madagasikara. Sarotra ihany ny mandrefy ny tahan’ny fahantrana amin’ireo 80% tsy ara-dalàna ireo. Eo indrindra ihany koa no mahasarotra ny fametrahana vina eto an-tanàna satria ny ankamaroan’ny Malagasy dia ilay mivelona amin’ny isan’andro. Io ilay hoe ny hohanina anio tadiavina anio, ary ny ampitso karohana rahampitso.

Tsiry

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT