Dossier

Mahereza sy Fiadanana Ambohidratrimo Naato ny fitrandrahan’ny Sinoa


  • Alakamisy 07 Martsa 2019

Tonga tao amin’ny kaominina Ambanivohitra Mahereza sy Fiadanana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny avy eo anivon’ny polisy misahana ny harena ankibon’ny tany na « police des mines » sy ireo mpiara-miasa aminy na ny « commandant de compagnie » mba hizaha ny fitrandrahana mitranga marina ao an-toerana.

 

 Araka ny fanazavan’ny ben’ny tanànan’i Mahereza, Jhonny Rakotoarisoa, dia voamarina fa vato malao no trandrahana ao fa tsy volamena na safira na merkiora araka ny tsaho mandeha. Tsy nisy, hoy izy, ny filazana olona very hoe natao sorona ary omby natao nofonkena mitam-pihavanana novonoina. Voamarina kosa anefa fa misy tanimbary voan’ny atsanga ary miditra amin’ny fifampiresahana amin’ireo mponina amin’izao ny orinasa mpitrandraka satria voarakitra ao anaty fifanarahana fa tompon’antoka amin’izay mety ho fahasimban’ny tontolo iainana vokatry ny fitrandrahana ity orinasa ity. Tsy mbola misy fasana mitriatra izany satria ny fitrandrahana ary tsy mandeha akory. Fanapahan-kevitra noraisina izany, hoy ny fanazavana, ny fampiatoana ny fitrandrahana aloha mandra-pijerin’ireo tekinisianina ny amin’ny fomba tokony hanohizana ny fiaraha-miasa sy hanonerana ireo fahasimbana efa nisy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT