Dossier

Madagasikara Voalohany amin’ny fandripahana sy fanondranana ala


  • Sabotsy 25 Aogositra 2018

510.357 ha no ala efa ripaka eto Madagasikara, araka ny tatitry ny Alliance Voary Gasy (AVG).

Tena manapaka ala ny Malagasy ary tsy mifidy fa lasa hatramin’ireo hazo sarobidy. Mifanindran-dalana amin’ny tondron’ny kolikoly izany ary rariny  raha faha-155 amin’ny firenena 180 ny Malagasy. Kolikoly no ivoahan’ireo ala sy hazo sarobidy ireo ka mahatonga ny laharana mihemotra hatrany nanomboka tamin’ny tetezamita no ho nankaty. Tsiahivina fa talohan’ny fanonganam-panjakana no nisian’ny filaharana tsara indrindra azon’i Madagasikara satria faha-85 ny firenena Malagasy tamin’izany. Etsy an-daniny, mbola maro hatrany ny doro tanety eto amin’ny firenena ary tombanana eo amin’ny 450 tapitrisa dolara no fatiantoka aterany. Tsy ny ala sy ny tany ihany no lasibatra amin’ny afo fa mamotika ny tsiron-tany ary manimba hatrany amin’ny tanimbary sy ny tontolo iainana mihitsy. Ankoatra izay, maika ery ireo mpanondrana an-tsokosoko mandefa ny hazo lafo vidy any amin’ny firenen-kafa ary tsy mijery ny hoavin’ny taranaka mihitsy. Araka ny tatitra dia mitentina 1 tapitrisa dolara na 3 304 410 000 Ar (1dolara=3304,01) ny vidin’ny fandriana iray vita amin’ny andramenan’i Madagasikara any Sina ary 60 isan-jaton’ny andramena tonga any dia avy aty amin’ny kaontinanta Afrikanina avokoa. Ny 9 monja tamin’ny 203 voarohirohy tamin’ny andramenan’i Madagasikara anefa no mba nigadra ary ny tena lohandohan’ny mpisorona izay mpanao politika ambony ny ankabeazany dia lasa nanankarena be sy mbola miriaria ary milatsaka hofidina mihitsy aza, hoy hatrany ny AVG.

Tsirinasolo


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT