Nisy ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny tetikasa Papriz 2 izay notohanan’ny governemanta japoney ho fampiroboroboana ny voka-bary eto Madagasikara.
Natao teny amin’ny Hotely Panorama omaly talata 09 jolay izany ary nivoitra tao ireo paikady sy fomba hanapariahana ireo teknika rehetra hampiakarana ny voka-bary. Novelabelarina tao ny mahakasika ireo masomboly voafantina sy ny zezika mineraly izay tsy maintsy hampiasaina raha te hahazo vokatra tsara. Afaka mampitombo avo 2 na 3 heny ny voka-bary eto Madagasikara izany miaraka amin’ny fanofanana ireo teknisianina sy ireo tantsaha maro an’isa. Nanambara ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana ary jono, Lucien Ranarivelo fa efa mizotra mankany amin’ny fahavitan-tena ara-bary i Madagasikara ary tokony ho tratra ny tanjona amin’io taona ho avy io. Tsy maintsy hihena, hoy izy ny fanafarana vary satria hitobaka ny voka-bary amin’ireo karazana teknika hampiasaina ireo. Tsiahivina fa mahatratra 4 200 000 taonina teo ny vary fotsy lanin’ny Malagasy tamin’ny taon-dasa kanefa 3 900 000 taonina ny famokarana tratra. Raha izay dia mila miakatra eo amin’ny 5 na 6% eo fotsiny dia tratra ny tanjona. Mila ny ezaky ny mpisehatra tsirairay mihitsy anefa izany ho fampiakarana ny taham-bokatra eny an-tsaha, ny fanodinam-bokatra hatramin’ny fitotoana azy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.