Tsy hisy akony akory amin’ny toekaren’i Madagasikara ny fandehanan’ny filoha Malagasy tany Sénégal.
Noderaina be ny filoha sonegaly MakySall tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena ary andrandraina nefa olona mpanao didy jadona. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena, mbola anisan’ireo firenena 25 tena mahantra i Sénégal satria sady tsy miakatra ny fahefa-mividin’ny mponina ary misy hatrany ny sondro-bidim-piainana. Eo ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana ny harena ara-boajanahary ary tena manjaka ny kolikoly indrindra ny any amin’ny tsenam-baro-panjakana amin’ilay “infrastructure” be dia be nataony. Anisan’ny filoha mankasitraka be ny vola noforonin’ny Frantsay CFA i MakySall ary tsymenatra miady ho an’izany mihitsy nandritra ny fitsidihana ofisialy nataony tany Elysée izay anisan’ny nahatezitra olona maro be. Be trosa ihany koa i Sénégal nefa tsy noresahina mihitsy izany fa ny fotodrafitrasa nataony foana no natao nakadilo sofina. Tsiahivina fa lany fihodinana voalohany io filoha io na dia maro aza ny tsy fahatomombanana maro be ary amin’izao dia mangina tanteraka ny mpanohitra. Na eo ary izany dia tsara toerana i Sénégal mihoatra amin’i Madagasikara. 6,8% ny tahan’ny fitomboana ara-toekarena nandritra ny 3 taona nisesy araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny taona 2017. Ny zavatra tsapa dia mahantra be daholo ny firenena mpikambana mampiasa ny CFA sady mbola manohy ny fanjanahany i Lafrantsa. Betsaka ny mpahay toekarena manakiana ary milaza mihitsy hoe raha tsy manana ny fiandrianana ara-bola miaraka amin’ny banky foibeny ny firenena iray dia tsy tafavoaka mihitsy. Mifamatotra amin’i Madagasikara izany ary manazava ireny dia lava nataon’ny filoha tany ireny. Mampiseho amin’ny reny Malala fa miombon’aina tanteraka ireto firenena nozanahina ary vonona hatrany hanome tombony ho azy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.