Dossier

Madagasikara sy Frantsa Famatsiam-bola miisa 4 no natao sonia


  • Zoma 06 Desambra 2019

Nanome fanampiana ho fampandrosoana an’Antananarivo sy ny manodidina ny Masoivoho Frantsay ho amin’ny fampandrosoana (AFD).

 Omaly alakamisy 05 desambra 2019 no natao tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia  ho fiaraha-miasa  mahakasika izany. Famatsiam-bola mitentina 368,1 Miliara Ariary isan-taona, izay manome 1% amin’ny harinkarena faobe (PIB) , no ilain’i Madagasikara noho ny loza ara-boajanahary tahaka ny rivodoza, tondra-drano ary haintany mandalo aminy. 3 tapitrisa Euro na 12 Miliara Ariary no nentin’ny AFD hanampiana ny fananganana ny ivom-panajariana sy ny fampandrosoana an’Antananarivo sy ny manodidina (IPAM) ary nanambara ny Ambasadaoron’i Frantsa, Christophe Bouchard fa fitsinjovana an’i Madagasikara izany rehetra izany mba hiteraka tombony ara-toekarena mihitsy. Ao ihany koa ny tetikasa hanomanana an’i Madagasikara hiatrika ny fiovaovan’ny toetrandro izay hampandrosoana ny kaominina eto an-drenivohitra ka nanaovana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa amin’ny AFD izay mitentina 46 Miliara Ariary na 11,5 Tapitrisa Euros. Mbola  ho fampiroboroboana ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ihany dia misy ihany koa ny vola mitentina 3,6 Miliara Ariary (900 000 Euros) izay nomena manokana ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola mba hamatsiam-bola ireo tetikasa vaovao eny antsefatsefany eny. Tonga nanatrika ny fanaovan-tsonia nataon’ny AFD sy ny minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, Richard Randriamandrato ny minisitry ny fanajariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy, Hajo Andrianainarivelo noho izy tena voakasika amin’ireo tetikasa maro nifanekena.  

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT