Dossier

Madagasikara Niakatra ho 14 000 ny voafonja tsy voatsara


  • Alakamisy 25 Aprily 2019

Nanao fanambarana indray ny Amnesty International (A.I) mahakasika ny fanadihadiana nataon’izy ireo momba ny fitanana am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny.

 

 

 Nitombo an'arivony, hoy izy ireo no mbola taraiky any am-ponja kanefa tsy nahazo fanamelohana sady tsy nandalo fitsarana hatramin’izao. Amin’izao fankalazana ny andro manerana an’i Afrika ny amin’ny fitanana am-ponja vonjimaika izao dia nilaza izy ireo fa maika zava-doza ary mampalahelo ny tranga eto Madagasikara tamin’ity volana aprily ity. Niakatra 14 000 ny isan’ny olona voafonja tsy voatsara ary tamin’izany ny namoizana mpianatra vao 19 taona notazonina nandritra ny alina tao amin’ny fonjan’i Maroantsetra. Nanambara izy ireo fa fitanana am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny, tafahoatra ary mitarazoka no mahazo ireo olona ireo ary ny ankamaroan’ireo dia olona sahirana sy tsy manana fahafahana maka mpisolovava avokoa. Nanaitra ny fitondram-panjakana ny  tokony hijerena haingana ireo olona mijaly maro be ireo. Tsiahivina fa miisa 11 703 ireo olona miandry fitsarana tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo farany tamin’ny oktobra 2017 ary niakatra 14 067 izany ny febroary 2019 teo. Nanamafy hatrany ny tatitra nataony ny A.I  fa tsizarizary ary mahaontsa ny fepetra fitazonana ny voafonja eto Madagasikara raha tsy hilaza afa tsy ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny tsy fahasalamana izay mahatonga ny aretina sy ny fahafatesana. 
 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT