Eo am-pelatanan’ny vahoaka Malagasy ny hoavin’ny kaontinanta afrikanina ary miankina amin’ny safidiny aorian’ny fifidianana filoham-pirenena izany.
Anisan’ny nametraka tantara tamin’ny fandrosoana ny firenena Rwanda notarihin’ny filohany Paul Kagame na dia misy milaza aza fa didy jadona no nisy tany. Tsy ambakan’izany anefa ny firenena Malagasy ary manana tombony marobe amin’ny harena misy eto saingy mipetraka ny fanontaniana hoe iza no hitarika an’i Madagasikara ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ? Nisy ny tetikasa efa saika nahalasa lavitra be ny firenena Malagasy saingy nosotasotain’ny mpanongam-panjakana. Nampiaiky ny firenena maneran-tany mantsy ny tetikasa Madagasikara Am-Perinasa (MAP) nentin’ny Filoha Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny. Hanana tombony ny Malagasy satria misy ny MAP II izay tsy miresaka afa tsy fampandrosoana an’i Madagasikara. Raha tafapetraka eo amin’ny fitondrana eo ny filoha Ravalomanana dia hiasa haingana tahaka ny fanaony ka hisongona firenena maro indray ny Malagasy. Tsy atoro voanjo adina io filoha io ary manana fanomezam-pahasoavana manokana mihitsy amin’ny lafiny fandraharahana. Mahatsapa izany ny sehatra iraisam-pirenena fa tokony ho lasa lavitra be ny firenena Malagasy satria tena matotra ny fanatanterahana ny tetikasa MAP tamin’ny fotoan’androny. Mitodika aty amintsika ny mason’izao tontolo izao ary olona tokana ihany no andrandraina hahavita hanainga amin’ny fotoana fohy ny toekarena Malagasy dia ny filoha Marc Ravalomanana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.