Voasokajy ho anisan’ny firenena faha-5 mahantra indrindra eran-tany i Madagasikara. Ny 80%-n’ny mponina dia miaina amin’ny vola latsaky ny 1,9 dolara na 6 692 Ariary eo isan’andro. (1 dolara= 3522, 32Ar).
Nahazo filoham-pirenena vaovao i Madagasikara, araka ny vokatra navoakan’ny fisarana avo momba ny lalàmpanorenana. Ny fanontaniana manitikitika ny maro dia ny hoe ahoana ny hahatafavoaka an’i Madagasikara ara-toekarena haingana amin’izao toe-java-misy izao ? Tena hitondra vahaolana ara-toekarena ve ny filoha vaovao sa hijaly sy hiaina amin’ny nofinofy sy fitaka indray ny vahoaka Malagasy ? Ahiana hatrany aloha ny fahapotehana ara-toekarena raha ireny fomba fitantanana tamin’ny fotoan’andron’ny tetezamita ireny no jerena. Asa aloha na efa nandray lesona fa dia iaraha-mahita eo ny zava-miseho. Maika ny Malagasy hahita fampandrosoana ka ho hita eo ireo vina maro be nanaovana velirano. Enga anie ka hiova ny fomba famindra fa tsy fanapotehana sy famarotana harem-pirenena hatrany no hiseho araka ny vinavinan’ny maro.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.