Mikarakara ny andiany fahatelo ny katrok’ady FIHEZAMA sy ny Madagascar Poncroise Challenge (MPC).
Tahaka ny mahazatra dia tsy maintsy misy ny ady miverina na ny “combat retour” ka hatao any La Réunion izany amin’ny 29 febroary ho avy izao, araka ny fanambarana natao ny sabotsy lasa teo tetsy amin’ny Koots Food Mahamasina. Anisan’ny handray anjara amin’io katrok’ady io i Jose Emile na i Toky eo amin’ilay taranja K.1. Eo ihany koa i Jacky, Sitraka, Mampionona ary i Jocelyn hisolotena an’i Madagasikara amin’ny taranja Pancrace. Marihina fa efa nanao lalao fifanintsanana avokoa ireo izay vao voafantina handeha ho any La Réunion izao. Nandritra ny fampahafantarana tamin’ny sabotsy dia nisy any antso avo nataon’ireo tompon’andraikitra ho an’ireo malalatanana sy ny fitondram-panjakana. Nangataka izy ireo mba tsy ho ny federasiona ihany no hampiana fa ny fikambanana FIHEZAMA koa. Ankoatr’izay dia nilaza ireo mpikarakara fa lafo ny saram-piantohana amin’ny ady (assurance combat) sy ny vola aloa amin’ny fifaninanana ka anaovana antso avo amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena sy ny fanjakana.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.