Dossier

Lucien Rakotomaharavo “Laharam-pahamena ny fanabeazana olona”


  • Alakamisy 03 Oktobra 2019

“Amiko, nahatonga ahy nandeha niaraka amin`ny antoko Tia Tanindrazana, maro ny zavatra hita sy tsapa amin`ny fitantanana ara-politika teto amin`ny firenena. Resy lahatra fa handeha amin ny

fahamarinana sady tsy hisian’ ny hoe mpitantana no entina fa mitovy” hoy i Lucien Rakotomaharavo, kandidà ben`ny tanàna ao Fandriana. Amin`ny zavatra tena ilain`ny Malagasy amin`izao ny fahantrana misy.Manana ny vinam-pampandrosoana mazava ny TIA TANINDRAZANA, izay mifototra amin’ny fanabeazana. Matoa aho hody any amin`ny tanindrazako any Fandriana kanefa monina eto an-drenivohitra dia hita fa misy elanelany ny vahoaka Malagasy, hoy izy. Aty an-drenivohitra mahatakatra lavitra kokoa noho ny any ambanivohitra ka izany no naniraka ahy hiverina any. Hataony ho laharam-pahamehana,  araka izany, ny fanabeazana ho an`ny rehetra na “education pour tous ». Hanabe olona fotsiny satria raha tsy mahay ny olona tsy afaka handroso ny firenena. Rehefa mitovy ny tadindokanga amin`izay lalana aleha dia hisy ny fandrosoana. Tarigetra tsy maintsy atao io fanabeazana io, hoy i Lucien Rakotomaharavo. Notsipihany hatrany fa rehefa tsy misy ny elanelany amin`ny lafiny rehetra, ohatra eo amin`ny fitantanana olona toy ny hoe fampitahorana ny olona entina dia izany no mahamafy ny antoko sady manaraka rindran-damina politika.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT