Dossier

Loholon`i Madagasikara teo aloha Miantso ny FFKM handamin-dresaka


  • Zoma 27 Aprily 2018

Mbola mitana ny sain`ny mpanara-baovao hatrany ny zavatra mety hitranga eo amin`ny tontolo politika amin`ity herinandro ity. Misesisesy, araka izany, ny fanambarana taorian'ny zava-nitranga ny sabotsy 21 aprily lasa teo.

 

 Iray amin'ireny ny fikambanan`ny loholon`i Madagasikara teo aloha na ACS. Miantso ny FFKM izy ireo mba hitady vahaolana mahomby sy maharitra ho any amin`ny fitoniana sy hirosoan`ny firenena amin`ny fanovana tsy maintsy hatrehina. Nanamafy kosa izy ireo fa tsy tokony hitsabahan`ny iraisam-pirenena ny raharaham-pirenena. Nanambara ny birao nasionalin`ny ACS fa mankasitraka ny tolona nataon`ireo solombavambahoaka miisa 73 tsy nandany ny lalàm-pifidianana mandika ny lalàmpanorenana, tolona efa lasa tolom-bahoaka ankehitriny. Tandindomin-doza kosa ny firaisankina sy ny fihavanana Malagasy raha toa ka hitsabahan`ny iraisam-pirenena ny fifampiresahana eo amin`ny samy Malagasy. Olana ara-politika no misy eto amintsika ka vahaolana ara-politika ihany koa no takian`ity fikambanana ity, araka ny fanazavana. Amin`ny talata ho avy izao, dia irarian`ireto Loholona ireto fa na dia ady aza ny nisarahan`ireo depiote tamin`ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo dia heverina fa hiverina hiara-hivory izy ireo ary handinika indray ny lalàm-pifidianana hoy hatrrany ny birao nasionalin`ny ACS.


 Marigny A.                                                                                            

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT