Dossier

Lohataona, ririnina, fahavaratra Tsy mety foana ny delestazy


  • Talata 14 Janoary 2020

Tapaka ny herinaratra amin'ny toerana maro eto Antananarivo sy ny manodidina amin'izao fotoana izao, noho ny andro ratsy izay miteraka tsy fahatomombanan'ny fitaovam-pitaterana herinaratra, hoy ny Jirama omaly takariva.

 

Rehefa ratsy toy izao ny andro dia betsaka ireny taribian-jiro ireny no tapaka ka iangaviana isika rehetra tsy handray azy ireny, indrindra tsy hanakaiky ny andrin-jiro mba hisorohana ny loza. Maro isika mpanjifa no miantso ireo laharan-tariby fifaneraserana amin'ny JIRAMA ka betsaka no tsy voaray. Entanina hatrany isika hamerina miantso hahafahana mifampita vaovao, hoy ny JIRAMA. Ireto avy ny laharana : 35 47 (Telma) - 03 35 47 (Airtel) - 032 32 035 47 (Orange). Efa tsy vaovao intsony ny fahatapahan-jiro sy ny delestazy eto amintsika na ririnina na lohataona na fahavaratra. Tsy misy fiantraikany any amin’ny faktiora ireny fa mainka aza miha midangana.

Toky R

Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT