Manomboka ny alarobia ho avy izao dia hipetraka ny fandaminana vaovao eo amin’ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato .
Misy amin’ireo andrin-jiro natao hanazava ny lalana no tsy mirehitra amin’ny alina ary ahiana hiteraka tsy fandriampahalemana izany. Ankoatr’izay dia manomboka hita taratra eto amin'ny lalam-baovao mampitohy an'i Tsarasaotra sy Ivato sahady ny gaboraraka eo amin'ny fifamoivoizana. Nanjary lasa ireo sarety mitondra entana mantsy amin'izao no mampiasa ny arabe. Raha toa ka natao hanalefahana ny fitohanan'ny fiarakodia any Ambohibao ity lalana ity dia tsikaritra sahady ny fitohanan'ny fiara ankehitriny. Tsy maintsy misy arak’izany ny fepetra hentitra ho raisina. Ohatra amin’izany ny hametrahana « poste de police » hitandro filaminana sy handrindra ny fifamoivoizana eo akaikin’ny rond point Tsarasaotra. Ho raràna ihany koa ny fandehanan’ny sarety amin’io lalam-baovao io manomboka izao. Ireo no tolo-kevitra nivoitra nandritra ny fidinana ifotony izay nataon'ny avy eo anivon'ny ministeran'ny fitaterana sy ny mpitandron’ny filaminana ary ny kaominina Ivato omaly teny Tsarasaotra.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.