Na dia efa nampanantsoina fivoriana tsy ara-potoana aza ireo solombavambahoaka dia tsy mbola lany indray ireo volavolan-dalàna momba ny harena azo amin`ny tsy ara-drariny.
Miandry fivoriana tsy ara-potoana indray izany momba io volavolan-dalàna io ka izany no tapak` ireo depiote miisa 21 nanatrika ny fivoriana ny alatsinainy lasa teo. Tsy neken`ireo depiote ny hanaovana ny fandaniana izany ao anatin`ny andro itohizan`ny fivoriana tsy ara-potoana. Noho ny fahavitsinan`ny depiote tonga nanatrika ny fivoriana kosa no tohan-kevitra no nentin`ireo solombavambahaoaka nitaky ny fanemorana izany. Nanamafy izany ny filohan`ny Antenimieram-pirenena, Jean-Max Rakotomamonjy, fa vitsy dia vitsy ireo solombavambahoaka kanefa lalàna tena manan-danja amin`ny firenena ka tsy azo hanaovana kitokitoa ny fandanianana azy. Mialoha an`izay anefa efa nisy tolo-kevitra naroson`ny asam-baomiera mba tsy nirosona avy hatrany tamin`ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity araka ny tetiandrom-pivoriana ny alatsinainy lasa teo. Araka izany, nahemotra ny adihevitra nandaniana ilay volavolan-dalàna hifehy ny harena azo tamin`ny tsy ara-drariny. Manoloana izany, nandraisana fanapahan-kevitra ny fanemorana ny fandaniana ity volavolan-dalàna ity ary tapaka fa andrasana amin`ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka amin`ny 2019. Efa nolanian`ny depiote tamin`ny alalan`ny tsangan-tanana nandritra izany ka eny amin`ny Antenimierandoholona amin`izao fotoana izao kosa ireo voloavolan-dalàna momba ny ady amin`ny famotsaim-bola sy ny famatsaiana asa fampirohoroana. Miankina amin`ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny momba ny fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka handanina ny volavolan-dalàna tsy lany ity na koa miandry ireo depiote vao hofidiana amin`ny taona ho avy. Mampametra-panontaniana ny zava-mitranga hoe :sahirana marina ve ireo solombavambahoaka any amin’ny distrika misy azy tsirairay avy sa tena malaina ny handinika sy handany ilty volavolan-dalàna momba ny haresa azo tsy ara-drariny ity ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.