Fanamby napetraky ny filoha Rajoelina hatrany ny hoe “izay zavatra tsy vitan`ireo mpitondra nifanesy taorian`ny fahaleovantena dia hotanterahiko ao anatin`ny dimy taona”.
Koa maninona hatramin`izao no tsy tafapetraka ny lehiben`ny fanoherana eto Madagasikara araka ny lalàna 2011-013. Voalaza fa hahitsy eny anivon`ny Antenimieram-pirenena. “Tsy misy ambadika politika ny fandinihana ny lalàna ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra”, hoy i Brunel Razafitsiandraofa, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena. Koa maninona raha tsy ampiharina fotsiny ny didy ? Raha tsiahivina, tsy mbola nisy ny mpanohitra ofisialy raha ny tantaran`ny firenena. Raha tamin`ny andron` ny Repoblika faharoa, nampandany ny lalàmpanorenana vaovao tamin’ny desambra 1975 ny filoha Ratsiraka. Nanjaka ny sosialisma ary tsy dia hita ny mpanohitra. Tsy nekena ny fisian’ny antoko maro fa politika tokana no napetraka tamin`izany. Nisy ihany ny mpanohitra toy ny MFM fa tambatambazana toerana tao amin’ny “Conseil supérieur de la Révolution”. Raha tsy manaiky izany dia nogadraina mihitsy. Nanomboka koa ny fanoherana mafimafy tamin’ny alalan’ny kung-fu tamin`ny taona 1985 saingy nandefasana tafika sy hery. Amin`izao mazava fa ny antoko TIM no mahafeno ny fepetra amin`ny maha mpanohitra, izay hizaka ny zo amin`ny maha filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena azy. Araka ny voafaritra ao amin`ny lalàmpanorenana, ny antoko politika na vondron`antoko politika manana vato be indrindra ankoatra ny maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena no manendry ny lehiben`ny fanoherana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.