Dossier

Lalàna mifehy ny harena an-kibon` ny tany Nankatoavin` ny HCC ny fanitsiana azy


  • Alakamisy 11 Jolay 2019

Efa tamin` ny taona 1999 no nisy io lalàna io saingy tsy mifanaraka amin` ny vanim-potoana ankehitriny.

 

 

 

Betsaka ihany koa ny vola tsy tafiditra tao anaty kitapom-bolam-panjakana ka nisy fanavaozana an` io lalàna io ka nisy ny didy hitsivolana no raisin` ny filohan` ny repoblika hamenoana ny hanovana ny andininy sasantsany. Ny andininy 216 kosa no nasian` ny didy hitsivolana fanovana ka nanaovan`ny HCC fanamarihana. Araka ny fampitaham-baovao teo anivon` ny HCC fa ny hevin-dehibe ny lalàmpanorennana dia hampiarina amin`ny rehetra ny lalàna na dia eo aza ireo rafitra tsy miankina amin`ny mpampihatra lalàna izay tokony hantefa amina toe-draharaha iray mitranga manokana. Ao amin` ny and. faha-3 nasiana fanovana dia milaza fa raha voahefa ny sazy ara-bola amin` ny tsy fifanarahan-dalàna iray ka mitarika amin`ny fanagiazana fananana dia tsy mihatra avy htrany izany fa miverina eo no eo ihany ny fananana raha vao mandoa onitra ilay olona. Ny ministeran` ny harena an-kibon` ny tany no manapaka ny famerenana ny fananana nogiazana aorian` ny fangatahana an-tsoratra ataon` ilay tompony eo anivon` ny misnitera voakasika ity. Voafaritra ao amin` ity and. fahatelo ity fa voafaritra ao anaty fotoana raikitra ny fanagiazana ny fananana azo amin` ny tsy ara-dalàna ireo. Noho izany azo hampiarina avy hatrany ity ny didy hitsivolana lah 2019-09 izay manova ny andininy sasantsany ao amin` ny lalàna lah 99-012 tamin`  ny 19 aogositra 1999 momba ny lalàna mifehy ny harena an-kibon` ny tany ary azon` ny Filoham-pirenena hanan-kery. Raha Madagasikara manokana no jerena dia tsy lanin` ny Malagasy raha ny harena an-kibon` ny tany, ka anjaratntsika no tokony hahay handrindra izany satria harena tsy miverina io, izay lany dia tsy azo soloina. Malaza moa eto Madagasikara hoe misy harena be an-kibon` ny tany ka mila fanovana goavana ny lalàna mifehy ny harena an-kibon` ny tany, mba ny Malagasy no hahazo tombontsoa amin` izany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT