Dossier

Lalàna amin’ny ady amin’ny famotsiam-bola Hamotika ny toekarena raha sanatria tsy lany eo


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Fotoana natokana hanamafisana sy hankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny kolikoly ny omaly talata 11 desambra.

 

 

Toy ny isan-taona dia ny 9 desambra ny andro natokana amin’izany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena saingy omaly no nosafidian’ny “Pole Anti-Corruption” niarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra miady amin’ny kolikoly. Nisy ny fotoam-panokafana tamin’ny fomba ofisialy notarihin’ny minisitry ny fitsarana Harimisa Noro Vololona. Nahitana tranoheva misy an’ireo rafitra rehetra mandray anjara amin’ny ady amin’ny kolikoly tahaka ny zandarimariam-pirenena, ny fiarahamonim-pirenena, ny BIANCO ary ny SAMIFIN. Nisy ihany koa ny adihevitra mitondra ny lohateny hoe “ny ady amin’ny kolikoly sy ny fiainam-bahoaka” izay namosahana ny hevitry ny mpisehatra rehetra. Nandritra io hetsika io no nanambaran’ny tale jeneralin’ny SAMIFIN Lamina Boto Tsaradia fa mbola eny amin’ny antenimieram-pirenena ireo lalàna 2 momba ny famerenana ireo fananana azo tamin’ny tsy ara-dalàna (avoirs illicites) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola efa novolavolaina hatramin’ny taona 2016. Efa nisy ny fifanatonana tamin’ireo filoha sy mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny antenimieram-pirenena tamin’ny herinandro teo nataon’ny SAMIFIN sy ireo mpiara-miombon’antoka. Nidinidinika ny amin’ireo volavolan-dalàna ireo ary tapaka tamin’izay fa hisy ny fotoana hihaonana amin’ireo solombavambahoaka anio 12 desambra hanazava antsipirihany azy ireo ny mahakasika ny mety ho voka-dratsin’ny tsy fahalanian’ireo lalàna ireo. Nanamafy ny tale jeneralin’ny SAMIFIN fa ny fahafahana mandany ireo volavolan-dalàna ireo dia hanatsara ny rafitra sy ny lalàna amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana eo amin’ny lafiny iraisam-pirenena ary tombony ho an’ny firenena ny famerenana ny vola azo tamin’ny fandikan-dalàna satria hatao anaty kitapom-bolam-panjakana. Raha sanatria tsy lany eo ireo lalàna ireo dia nanizingizina Andriamatoa Lamina Boto Tsaradia fa tsy manana ny lalàna manaraka ny fenitra iraisam-pirenena i Madagasikara ary tafiditra anatin’ny firenena ahiahiana ary tena ho sahirana ny firenena. Tsy afaka hivelatra intsony ny olom-belona tsirairay mainka moa ny orinasa sy ny mpandraharaha satria tsy azo antoka eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena. Hokilasian’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena sy ny Vondrona Eoropeanina anatina lisitra mainty ny Malagasy ka dia ho ahiahiana fatratra ny vola miditra sy mivoaka eto Madagasikara. Ho potika ny toekarena satria hisy Banky tsy handray ary tsy hety handefa vola aty intsony kanefa ny toekarena Malagasy mbola miankina be amin’ny fanafarana sy fanondranana entana ary tsy tafarina intsony ny sehatra fandraharahana.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT