Nanomboka omaly ary ho tapitra ny sabotsy ho avy izao ny foaraben’ny ronono andiany fahatelo atao etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.
Tanjona ny hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara. Eo ihany koa ny fampisongadinana ireo mpiantsehatra, indrindra ny fanentanana ny malagasy hisotro sy hanjifa ny vokatra avy amin’ny ronono. Nanambara ny mpisehatra fa asa mahavelona ity seha-pihariana ity saingy misy ny olana sedraina. Tsy maharaka ireo mpamokatra noho ny antony tsy fananana tany, ny tsy fahampian’ny fahalalana sy fampiofanana satria betsaka amin’ireo mpiompy no mbola manao ny fomba nentim-paharazana. Miteraka olana lehibe ihany koa ny vilona eto Madagasikara satria rehefa maina ny tany dia manodidina ny 37% amin’ny filan’ny omby ihany no azon’ny mpiompy homena azy. Izany rehetra izany no antony tsy mahampy ny ronono eto ary mbola maro no hafarana avy any ivelany amin’ny alalan’ny vovo-dronono.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.