Mafy iny taona 2019 iny tamin’ny ankapobeny na teo amin’ny tontolo politika na ny sosialy.
Tena miaritra ny vahoaka amin’ny karazana olana samihafa ara-tsosialy, tsy tena misy vahaolana. Miakatra ny vidim-piainana, ny rano sy ny jiro hatramin’izao tsy mivaha ny olana, ny mpitondra fanjakana mampanantena hatrany, kanefa ny efa nambara aza tsy vita akory. Toa efa zatra miaina ao anaty fahasahiranana anefa ny Malagasy, ka toa miaritra hatrany. Ny hany hita taratra, dia mihena ny fahavitrihany any anaty fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena. Ny zavatra tsikaritra, dia toa misy ihany ny azo atao fa ny laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana afaka manao izany no tsy arakaraka ny filan’ny vahoaka. Ny tetibolam-panjakana, dia toa manome vahana ny manan-katao. Nohalefahana ny fandoavan-ketra ho an’ny mpanafatra fiara, ka rehefa mahalafo vao mandoa haban-tseranana, nofoanana na nohalefahana ihany koa ny fampidirana gazy kanefa mba firy isan-jato amin’ny Malagasy moa no misitraka izany ? Ny JIRAMA anefa dia nofoanana ny tosika ara-bola, izay raha halalinina, dia mizotra tsikelikely mankany amin’ny fampiharana ny vidiny tena izy (vérité de prix). Etsy an-daniny, ahiana hampiakatra vidim-piainana ny fitadiavam-bolan’ny fanjakana amin’ny hetra: 8% ny tataon-ketra alaina amin’ny resaka tsenan’asam-panjakana, ka 221 miliara ariary no heverina fa hampidiriny. 600Ar isaky ny litatra ny hetra alaina amin’ny fampidirana labiera, hampidirana 20 miliara ariary mahery. 100Ar isaky ny litatra ho an’ny ranom-boankazo. 1390Ar isaky “paquet de 20” ho an’ny sigara, hahazoana 15 miliara mahery. Hakarina 10% ny tataon-ketra alaina amin’ny fampidirana fitaovana ho an’ny « télécommunication », heverina hampiditra 40,48 miliara. 50 miliara no tanjona amin’ny katsaka sy ny “blé” na varimbazaha izay 10% niakatra 10% ny hetra,… Miiba 15,51 miliara ihany koa ny fanalefahana ara-ketra ho an’ireo etona fampiasa an-tokantrano (gaz domestique). Tsy hoe rehefa ireo ihany no nokitihina, dia ireo no hiakatra na hidina, fa mety hisy fiantraikany amin’ny zavatra hafa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.