Dossier

Krizy miverimberina Mampikatso tanteraka ny toekarena


  • Alatsinainy 19 Novambra 2018

Tsy tsara ho an’ny firenena mihitsy ny krizy ary tsy handalo izany intsony i Madagasikara. Amin’izao fidirana amin’ny fihodinana faharoa izao dia tena ilaina ny filaminana sy ny fitoniana,

 

 hoy ny tale jeneralin’ny fampianarana ambony ampitain-davitra CNTEMAD (Centre National de Télé-Enseignement de MADagascar) Dokotera Djohary Andrianambinina. Tsy tokony hifampihantsy intsony ny an-daniny sy ny an-kilany fa hiezaka amin’ny fandresen-dahatra fotsiny ny vahoaka mpifidy satria miankina amin’io fifidianana io ny ho avin’i Madagasikara. Raha sanatria ka hiverina amin’ny krizy eo indray i Madagasikara dia tena sarotra ny hanarina azy. Mazava, hoy izy fa ho potika hatrany ny toekarena raha mbola hiaina sy handalo izany indray ny Malagasy.  Hikatona indray ny orinasa sy ny tsena maro samihafa ary maro be indray ireo tsy afaka hiasa. Rehefa izay dia hidina hatrany ny famokarana, hihena ny vola miditra sy mivezivezy ary mahazo vahana ny fitotonganan’ny harinkarena faobe izay miteraka fahantrana. Tokony haka lesona ny tany Bresil isika, hoy ity mpahay toekarena ity izay misy mponina 200 tapitrisa kanefa nahavita fifidianana nilamina sy neken’ny rehetra ihany tamin’ny fihodinana voalohany sy faharoa. Araka izany dia miantso ny rehetra mba hibanjina tsara sy tsy hijery afa tsy ny tombontsoan’ny firenena  satria tena efa maika ny fampandrosoana sy ny fanalana ny vahoaka anatin’ny fahantrana lalina.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT