Ao anatin’ny fankalazana ny faha-25 taona niverenan’ny fiaraha-miasan’i Korea Atsimo sy Madagasikara izao dia nisy ny fihaonana lehibe voalohany momba ny fandraharahana natao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly talata 4 septambra.
Nokarakarain’ny Tranoben’ny Varotra sy Indostria Koreanina ary ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) izy io mba hampiroboroboana ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana ara-barotra amin’ireo orinasa Malagasy sy Koreana. Nampahafantarin-dry zareo vahiny ny karazana orinasa maro sy ny varotra misy any aminy izay hita tokoa fa efa tena lasa lavitra be, indrindra ny fanamboarana fiara sy ny teknolojia manaraka ny toetrandro. Nanambara mazava ny Ambasadaoron’i Korea Atsimo Lim Sang Woo fa tsy mifidy sehatra ampiasana vola izy ireo ary mety aminy daholo ny zava-misy eto Madagasikara. Mahaliana azy ireo kokoa ny harena ankibon’ny tany ary fantany tsara fa tena manankarena i Madagasikara amin’io sehatra io. 30 eo ireo orinasa koreanina nandefa solontena tamin’izao forum izao ary saika naneho ny fahavononany amin’ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara avokoa. Fetsy hatrany ny firenena matanjaka izay miezaka mandrary fifanarahana hampiasana vola ary hita ho mitsinjo ny any aoriana. Ny hafa efa mibanjina ny ho avy sy ny fiafarana saingy i Madagasikara tsy miraika ary tsy misy fiaingana ara-toekarena hatramin’izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.