80 miliara dolara na 265 882 400 000 000 Ariary (1dolara=3323,53Ariary) no vola very isan-taona aty Afrika noho ny kolikoly. Raha manao kaonty ambany ka mandray ny firenena afrikanina miisa 55 dia manary vola 1,4 miliara dolara na 4 652 942 000 000 Ar isan-taona ny firenena iray.
Ao anatin’ny 5 taona izany dia tonga hatrany amin’ny 7.5 miliara dolara na 24 926 475 000 000 Ariary ny vola very. Tena ambony be izany satria efa mihoatra ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara mihitsy. Tsy mahagaga raha mahantra hatrany ny kaontinanta afrikanina mihoatra amin’ny hafa. Raha ireo vola be very ireo mantsy dia efa afaka manavotra sy mampiharina ny toekaren’ny firenena afrikanina. Eto Madagasikara moa dia hita be ny fiantraikan’ny kolikoly izay mamotika hatrany ny toekarena. Araka ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar momba ny kolikoly sy ny toeran’i Madagasikara taona 2017 dia nilatsaka 2 ny naotin'i Madagasikara, ary nihemotra toerana 10 mitaha amin’ny tamin’ny 2016. Ny IPC (Indice de Perception de la Corruption) dia nametraka ny laharana faha-155 amin'ny firenena 188 sy nanome naoty 24/100 an’ny firenena Malagasy. Mbola ahiana hihemotra hatrany i Madagasikara satria mbola nisy ireny kolikoly avo lenta tamin’ny fandaniana lalàna teny Tsimbazaza ireny. Tsy ho lasa lavitra mihitsy ny firenena Afrikanina raha tsy misy fepetra sy politika mazava entina miady ary manena ny kolikoly.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.