Mbola ambony hatrany ny tahan’ny kolikoly eto Madagasikara. Misy ny ezaka saingy tsy ampy mihitsy. Nofidiana manokana i Madagasikara handray ny fivoriana ataon’ireo mpisehatra amin’ny fiadiana amin’ny ady amin’ny kolikoly eto Afrika (Assosiation des Agences Anti-Corruption Africaines na AAACA).
Tanterahina etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny fivoriana iarahana amin’ireo solontena avy any amin’ny firenena afrikanina maro. Fatiantoka hatrany amin’ny 150 miliara no zakain’ny firenena afrikana ankehitriny hoy ny filohan’ny AAACA, Emmanuel Ondongo noho ny fanaovana kolikoly. Tsiahivina fa mpikambana feno ao amin’io fikambanana io i Madagasikara ary ao anatin’ny fanomanana ny fivoriam-be tanterahina amin’ny herintaona izay hatao eto ihany izao hetsika atao izao. Misy ny ezaka mafy hotanterahina hoy ny tale jeneralin’ny BIANCO, Atoa Andrinirina Eric Donat satria tanjona ny hisintonana ireo mpandraharaha sy mpampiasa vola ho avy eto Madagasikara . Kongresy faha-5 moa ity atao ity ka hampiroboroboana ny toekarena sy ny fandraharahana no tena ifotorana ary indrindra ny hamongorana ny kolikoky.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.