Miisa 80 ny fitambaran`ireo antontan-taratasin`ady voarain`ny fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC) ka 66 amin`ireo no voatsara tamin`ity taona ity.
Miisa 389 ireo olona voasaringotra tamin`izany ka 174 amin`izy ireo dia nomelohin`ny fitsarana. Ny 215 ambiny kosa dia afaka madiodio. Mizara andiany valo ny raharaham-pitsarana, nanomboka ny volana septambra hatramin`ny volana desambra. Taratasin`ady momba ny kolikoly, asa fampihorohoroana, fanodinkodinam-bolam-panjakana … no voarain`ity rafi-pitsarana ity. Misy amin`ireo voapanga no migadra ary misy ireo voasazy hiasa an-terivozona. Mihemotra amin`ny taona ho avy kosa ny fitsarana an`ireo taratasin`ady 14 ambiny izay mahavoarohirohy olona miisa 55 amin`ireo ka anisany i Mbola Rajaonah, mpandraharaha akaiky ny filoham-pirenena teo aloha. Famotsiam-bola no vesatra iampangana azy. Antony, tsy mbola vita ny fanadihadiana sasany. Raha tsiahivina, anisan`ireo notsarain`ny PAC tamin`ity taona ity Razaimamonjy Claudine, mpandraharaha. Asa an-terivozona an-taonany maro miampy onitra mitovy sanda amin`ny vola voahodina no famaizana nomen`ny fitsarana azy ireo. Teo ihany koa ny fitsarana ny loholona Andriamihaingo Berthin izay nahazo fahafahana vonjimaika tamin`ny zoma 20 desambra lasa teo.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.