Dossier

Kaompania Air Madagasikara Maro ny hetra alaina aminy


  • Alatsinainy 17 Febroary 2020

Manoloana ny fitarainan’ireo mpanjifa ny zotra ana habakabaka Air Madagascar izay lafo loatra mitaha amin’ireo kaompania hafa dia nanamafy ny filohan’ny filankevi-pitantanana ity kaompania Malagasy ity,

 

 Eric Koller, fa mitombina ny fitarainana, indrindra taorian’ny fidiran’ny kaompania vaovao Tsara dia. Mila fantatsika anefa, hoy izy, fa ny 46% maherin’ny vidin’ny tapakilana fiaramanidina iray eto amintsika dia resaka hetra. Ny 44% tavela kosa dia karaman’ny mpanamory, ny mpiasa miasa ao toy ny PNC sy PNT ary miaraka amin’izay koa ny solika. Ny 80%-n’ny olona mandeha Toamasina matetika dia noho ny antony asa. Ny mandeha Toliara dia antony fizahantany ny 70% mahery. Ny 80%-n’ny mpandeha Toliara dia amin’ny alalan’ny fiara, hoy hatrany ny fanazavana. Miverina avy any no mety misy mandeha fiaramanidina. Boeing 737-800 izao no avion Airmad mandeha Toliara ary tena lafo ny sarany. Ofana daholo ny fiaramanidintsika isam-bolana ary eo amin’ny 100.000 dolara eo avokoa. Ny Airbus 330 dia eo amin’ny 400.000 dolara eo ny ofany isam-bolana.  Vokatr’izay dia tsy misy olona mihitsy ireo fiaramanidina midina any Toliara, hoy izy. Tsy mahafeno ny 40%-n’ny tokony ho mpandeha akory. Feno izy rehefa fotoam-pialantsasatra saingy fatiantoka kosa rehefa tonga eto Antananarivo. Ohatra iray toy izany koa izao, ho an’ireo mpandeha Sainte Marie. Ny ATR antsika misy toeran’olona 70 isa. 30 na 40 eo no isan’ny olona mandeha any fa rehefa miverina vao feno 70. Ny fiaramanidina anefa, hoy izy, tokony ho feno hatrany satria ny tapakila iray dia vola miditra ho an’ilay sidina. Mbola hojerena ny vahaolana satria ny hetra alaina amin’ny Ravinala airport koa izao dia niakatra be ny an’i Nosy be sy Antananarivo. Efa ho 40 Euro isaky ny tapakila iray no alaina ao anatin’izany, hoy hatrany ity PCA ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT