Dossier

Jirama sy Jovena Hitsahatra ny fiaraha-miasa


  • Zoma 04 Oktobra 2019

Ny faran'ny volana septambra teo no nandefa taratasy fangatahana fampitsaharana ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny JIRAMA amin'ny orinasa JOVENA ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny filankevi-pitantanana.

 

 

 

 Fifanarahana izay mahakasika ny fividianan'ny JIRAMA herinaratra amin'ny JOVENA izany. Mba ahafahan'ny orinasa JIRAMA mandoa ny trosany ara-potoana no antony tsy maintsy nirosoana tamin'izao dingana izao. Tsiahivina fa mitotaly 1 200 miliara ariary ny trosa tsy voaloany amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Mety ho nahita orinasa ahafahana mividy moramora kokoa eo amin'ny fanjifana solika ataony ihany koa ny JIRAMA. Ny 21oktobra 2015, no nanombohan'ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ary izao mbola mitotongana hatrany izao ny orinasa. Naverimberin’ny tompon’andraikitra hatrany fa fositra mahatonga fatiantoka hatrany ny fividianana solika sy ny fanofana ireo milina ary ny fividianana herinaratra amin'ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Fepetra noraisina sy efa nambara ny hanavaozana ireo fifanarahana amin'ireo mpiara-miombon'antoka rehetra izay mbola an-dalana amin'izao. Andrasana ny ho tohin’ny raharaha, indrindra ny hamalian’ny orinasa JOVENA mahakasika io taratasy fangatahana  fampitsaharana ny fifanarahana io.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT