Dossier

JIRAMA Fa inona no tena olana ?


  • Alatsinainy 04 Martsa 2019

Efa tena tsy laitran’ny balan’ny fitarainana intsony ny afitsoky ny orinasam-panjakana JIRAMA sy ny tsy fahaizany amin’ny fitantanana ny famokarana sy fitsinjarana ny jiro sy ny rano.

 

 Tsy nahatafavoaka baolina ny tale jeneralin`ny orinasa, Aimé Olivier Jaomiary izay tsy vaovao amin`ny fitantanana andraikitra ambony toy izao. Efa nitana andraikitra ambony tamina orinasan-tserasera Airtel tany Afrika sy teto Madagasikara izy. Anisan’ny andraikitra niandry azy ny fanarenana tanteraka ny orinasa Jirama. Ny tena sarotra ary nampikaikaika ny vahoaka hatramin’izay ny mikasika ny delestazy, izay tsy nahitam-bahaolana hatreto. Niandrandra sy niandry ny traikefan’i Aimé Olivier Jaomiary ny rehetra amin’ny fanafoanana tanteraka ny delestazy. Anisan’ny vaindohan-draharaha sy iraka nampanaovina azy koa ny fanafoanana ny gaboraraka nisy teo anivon’ny orinasa hatramin’izay ka nahatonga ny fantiantoka nateraky ny halatra. Inona no sakana ? Inona no olana ? Tonga indray ity ny fitokonana sendikaly. Tsy vao izao no nisy fitokonana eo amin`ity orinasam-panjakana ity. Tsy nisy anefa vahaolana sy marimaritra iraisana teo amin`ny mpitantana ny JIRAMA sy ny mpiasa dia ny tsy faneken`ny sendikan`ny mpiasan`ny JIRAMA ny fandroahana tsy ara-drariny ny delegen`ny mpiasa izay efa nolavin`ny sampandraharahan`ny mpanara-maso ny asa (inspection de travail). Raha tsiahivina, efa nandefa taratasy nilaza ny fandavana tany amin`ny mpitantana ny orinasa ny 21 novambra 2018 saingy tsy notanterahina satria voalaza fa nohajaina avokoa ny dingana ara-dalàna amin`ny fandroahana. Nandrahona hitokona faobe ny mpiasan`ny JIRAMA ny alakamisy 20 desambra fa tsy nisy ny tohiny. Mihenjan-droa ny tady. Kofona tanteraka ny JIRAMA ankehitriny miampy ireo mpiasa sasany manao hadalana, mangalatra, tsy voara-maso,.. Miseho ho sarotiny sy saro-piaro amin’ny fitantanana ny orinasa ireo mpiasa ao nefa ny vokatra omen’izy ireo tsy izy sy tsy azo ekena intsony. Ny faktiora tsy tara mihitsy ary tsy mitsaha-misondro-bidy nefa ny jiro tapaka foana. Ny karazan-ketra izay alaina amin’ny vidin-jiro sy rano efa lafo ary tena mavesatra nefa tsy hita akory izay fiantraikany amin’ny fiainam-bahoaka. Manilika andraikitra amin’ny fanazavana ara-teknika efa lasa tsianjery fantatry ny rehetra ny tompon’andraikitry ny JIRAMA rehefa hanadio tena amin’ny tsy fahombiazan’ny famatsiana jiro sy rano. Mila jeren’ny fanjakana akaiky ny fomba fiasan’ny JIRAMA fa tsy hivaha mihitsy io olan’ny delestazy io. Na hividy gropy an’arivony sy hanome solika tsy lany laniana aza ny fanjakana dia ho tapaka matetika foana ny jiro sy rano raha tsy ny toe-tsaina sy ny fomba fiasan’ny mpiasan’ny JIRAMA mihitsy no asiana fanavaozana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT