Dossier

Jean Jacques Ratsietison “ Asa foronona fa aza tambatambazana ny Malagasy”


  • Talata 19 Martsa 2019

« Aza tambatambazana sy omena vary sy menaka ny Malagasy fa omeo asa izy hahavita tena ». Io no nambaran’ny filohan’ny fikambanana Fahefa-mividy no Ilain’ny Malagasy (FMI), Jean Jacques Ratsietison.

 

 

 Variana mitady vola any ivelany fotsiny ny fitondrana hoy izy ary adino tanteraka ny tokony ho laharam-pahamehana hampandrosoana ny toekarena Malagasy. Mitady orinasa matanjaka any Maorisy na any Eoropa ny fanjakana nefa tsy hamorona asa ho an’ny Malagasy akory. Milaza izy ireo fa tsy amidy ny tany kanefa tena vao mainka loza satria homena ny vahiny fotsiny izany. Raha tena mitady ny tombotsoan’ny vahoaka tokoa ny fitondrana hoy ny filohan’ny FMI Malagasy dia tokony asiana fitsapa-kevi-bahoaka aloha hanontany ny vahoaka ny momba ny fividianana na fanomezana ny tany ho an’ny vahiny satria an’ny vahoaka Malagasy ny taniny. Ankoatr’izay dia tsy miraharaha ny fahefa-mividin’ny Malagasy izay tokony hampiakarina haingana akory ny fanjakana. Rehefa mitombo anefa io fahefa-mividy io dia miakatra ny filàna sy ny famokarana ka hiteraka famoronana asa avy hatrany izany. Eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany izao dia tokony ny Malagasy ihany no tokony hizahatany voalohany eto mba hiteraka asa. Raha 1 tapitrisa fotsiny hoy i Ratsietison no Malagasy afaka manao fialan-tsasatra dia efa mitaky asa betsaka izany satria tsy maintsy ilàna mpiasa maro eny amin’ireny trano fisakafoanana sy fatoriana any amin’ny faritra ireny.  Anisan’ny vaindohan-draharaha tokony hataon’ny fanjakana ihany koa izany hampiroborobo ny toekarena. Eo ihany koa  ny fampidinana ny zana-bola amin’ny fividianana tany sy ny fanamboarana trano ho an’ny Malagasy izay tena laharam-pahamehana hoy hatrany ny filohan’ny FMI Malagasy. Tokony halavaina hatramin’ny 50 na 60 taona mihitsy ny fananganana trano rehefa mihindram-bola ny vahoaka madinika hoy izy. Izany rehetra izany anefa dia mitaky fidinan’ny vidim-piainana hatrany mba ho tanteraka ary andraikitry ny fanjakana. Nanambara ihany koa ity mpahay toekarena ity fa famoronana asa an-tapitrisa no tokony hatao eto Madagasikara fa tsy asa vitsy kely tahaka ny misy ankehitriny ary tokony hahavelona vady aman-janaka ny karama raisina. Asa no tena maika sy ilaina fa tsy ny fangatahana etsy sy eroa satria tokony hahavita tena ny Malagasy.  

Tsirinasolo

 

  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT