Hanohana ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampandrosoana firenena ny governemanta japoney.
Hita taratra, hoy ny masoivoho japoney Yoshihiro Higuchi , ny asa ataon`ireo mpitondra Malagasy amin`ny hanatsarana ny faripiainan`ny vahoaka eto Madagasikara. Raha zohiana, hoy izy, ny momba ireo sehatra voakasiky ny fampandrosoana dia noresahina nandritra ny fihaonana ny lafiny rehetra mifandray amin’ny laharam-pahamehan’ny firenena Malagasy. Ny fifanakalozana rahateo, hoy hatrany ny tenany, dia fotoana iray nahafahana namakafaka an’ireo fanamby napetraka hanatrarana ny tanjom-pampandrosoana. Nihaona tamin`ny praiminisitra Ntsay ny tenany omaly teny amin` ny lapam-panjakana etsy Mahazoarivo nifandinika ny sehatr`asa hamafisina eo amin`ny fiaraha-miasan`ny roa tonta izay. Hivelatra amina sehatra maro ny fiaraha-miasan`ny firenena japoney amin`ny fitondram-panjakana Malagasy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.