Rehefa natao ny fanadihadiana somary lalina kokoa taorian’ny zava-nitranga tany Ambatolampy dia hita fa nisy ny tsy fifankazahoan-dresaka, indrindra teo amin’ireo olona izay nitokona nilaza
fa niharana fanararaotana sy ny sampan-draharaha mpandray ny hetra.Fanadihadiana momba ny fandoavan-ketra no natao ka nisy ny famerenana sy fanamarinana indray ny fandoavan-ketra rehetra natao; tsy nisy resaka mihitsy hoe ampitomboina ny hetra aloa, araka ny fanadihadiana natao.Tsy Ambatolampy irery no nanaovana fanadihadiana sy fanamarinana fa nanerana ny nosy. Tsy marina sy tsy mitombina noho izany ny filazana fa nisy ny kolikoly na tamin’ny endriny ahoana na ahoana tao amin’ny ivon-ketra Ambatolampy. Nahazoam-baovao ihany koa ny vondron’olona isan-tsokajiny avy any Ambatolampy fa fantatr’izy ireo tsara ny lehiben’ny ivon-ketra any an-toerana, izay olon’ny Fiangonana, mahitsy sy marina fomba fiasa ary niezaka hatrany nanatanteraka ny asa aman’andraikiny araka ny tokony ho izy.Mety nisy ny olana ara-teknika sy ara-tserasera ka nahatonga ny fihetsiketsehana tany Ambatolampy farany teo, fa raha fintinina ny resaka dia lavitry kolikoly na sanatria fanararaotam-pahefana ny zava-nisy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.