Nizara ny lokan’ireo tsara vintana tamin’ny lalao Tombola tamin’ny ilay fampirantiana ara-pizahantany ITM 2019 izay nokarakaraina tetsy amin’ny CCI Ivato ny Ofisy Nasionalin’ny Fizahantany (ONTM) sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Notanterahina omaly tetsy amin’ny IKM Antsahavola izany ka maherin’ny 60 ireo nahazo loka tahaka ny tapakila handehanana fiaramanidina sy hivahinianana any ivelany. 5000Ar monja ny vidin’ireo tapakila nahazoan’ireo tsara vintana ny loka. Anisan’ny loka lehibe indrindra tao ny azon’ny tapakila laharana 388 izay novidian-dRamatoa Randriamarosata Yvonne Clémentine. Tapakila mankany amin’ny Nosy Maorisy ary miverina eto Antananarivo no azony ary iarahana amin’ny olona iray fanampiny izany ka ahafahana hivahiny 4 andro sy 3 alina ao amin’ny Hotely kintana 4 Riu Morne. Ny kaompania Air Madagasikara sy ny Beach Destination ary ny ONTM moa no nanolotra ny fanomezana. Ankoatra ireo nahazo fialan-tsasatra teto ihany tahaka ny mankany Nosy Be Hell Ville, Sambava, Sainte Marie ary Morondava dia nisy ihany koa ny handeha any Dubai, La Réunion, Sina, Parisy ary Jakarta Indonezia
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.