Mbola antontanisa tamin'ny taona 2012 no ampiasain'ny INSTAT amin'izao fotoana izao hijerena ny faripiainan'ireo tokantrano Malagasy.
Olana goavana tsy nahafahana nanavao izany tao anatin'ny 7 taona ny tsy fisian'ny fitaovana raha ny fanazavana. Miteraka sakana amin’ny fanaovana fanadihadiana eny ifotony eo amin’ny tontolon’ny statistika izany tsy fahampian’ny fitaovana izany. Ny fanaovana ny fanadihadiana anefa dia miteraka famoahana antontan'isa marina ary hitondrana vahaolana maharitra izay mifanindran-dalana amin’ny tanjon'ny fanjakana mba hentina hanatsara ny faripiainan'ny tokantrano Malagasy. Manoloana izany dia hisy mpiasa miisa 120 haparitaka manerana ny nosy izay hizara ekipa 20 hanao fanadihadiana mandritra ny herintaona hamaritra ny faripiainan'ny Malagasy. Handray ny asa avy hatrany izy ireo aorian'ny fiofanana arahiny. Ho fanampiana ny Instat amin’ny fanatanterahana izany dia nanolotra fiara tsy mataho-dalana miisa 20 ho azy ireo ny banky iraisam-pirenena omaly teny Anosy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.