Tokantrano miisa 17 750, izay ao anatin’ny toeram-piasana 450, anatin’ny faritra 22 manerana ny nosy no nanaovana fanadihadiana mahakasika ny fanadihadiana EPC (Enquête post censitaire de couverture)
izay nanomboka ny 24 novambra 2018 ary mifarana ny fikirakirana ny antontan’isa voangona eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny antontanisam-pirenena (INSTAT). Nifampitohy tamin’ny ny fanisana ankapobeny fahatelo ny mponina sy ny toeram-ponenana (RGPH-3) ity fanadihadiana EPC ity ka ampahany amin’ireo tokantarano ao anatin’ny faritra 22 no nanaovana ny fanisam-bahoaka ihany no nandray anjara tamin’ izany. Tokantrano 35 isaky ny toeram-ponenana efa voafaritra tao anatin’ny RGPH-3 ihany no voakasik’izany. Tsy maintsy atao aorian’ny fanaovana fanisam-bahoaka ny EPC satria ny lalàna iraisam-pirenena no mametraka izany. Natao hanombanana ny kalitaon’ny antontan’isa voaangona nandritra ny fanisam-bahoaka an-daniny ary ny hanombanana ny fahombiazan’ny asa fanisana an-kilany, hoy i Ndrenitsara Tarzan, tale lefitry ny INSTAT, ary tsy hanova velively ao anatin’ny fanisam-bahoaka efa vita. Efa hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanisana eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana izay iarahan’ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana miasa amin’ny INSTAT. Andrasan’ny vahoaka ny famoahana vokatra vonjimaika mikasika ny isan’ny mponina eto Madagasikara amin’ny ankapobeny saingy miankina ny fanjakana sy ny INSTAT ary ny mpamatsy vola no hamoahana izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.