Raha te hiroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Madagasikara dia tsy maintsy manana vahaolona maharitra ny amin’ny sehatra angovo.
Tsy maharaka ny angovo izay mbola fampiasa eto rehefa tena hiditra amin’ireny famokarana lehibe manao tohivakana ireny (production à grande échelle) ny Malagasy. Mitaky angovo matanjaka hatrany ireny fitaovana famokarana lehibe ho enti-manodim-boakatra ireny. Ny saran’ny fiverenan’ny fahatapahan-jiro tampoka (coût de rédemarrage) amin’ ireny fitaovana goavana ampiasaina any amin’ny Indostria lehibe ireny dia mahatratra hatrany amin’ny 100 000 Euros na 3 790 000 000 Ar (1euro=3790Ar) araka ny tatitry ny mpahay toekarena iray. Iaraha-mahalala nefa ny fahatapahan-jiro matetika misy eto ary vola be ihany koa anefa no lany raha hampiasa an’ireny groupe électrogène matanjaka hanosehana herin’aratra ireny indrindra amin’ny sehatra Indostria fanodinam-bokatra. Araka izany dia tena mila miomana amin’io sehatry ny angovo io I Madagasikara raha te-hiroso mankany amin’ny fananganana ny Indostria mpanodim-bokatra. Hampiarina be haingana ny toekarena io fampandrosoana ny Indostria io saingy sakana ny foto-darfitrasa amin’ny sehatra angovo. Olana iaraha-mahalala ihany koa ny fahazoana vola ho amin’ny famatsiana fitaovana eny amin’ny Banky. Ankoatran’ny fidanganan’ny zana-bola mantsy dia tsy misy banky hamatsy vola ho fampitaovana ny Indostria handritra ny fotoana lava be eto. Ilaina fotoana lava anefa ny fampiaingana sy ny fampiodinana izany mba hahazo faka tsara ka hiteraka fampandrosoana ny Indostria aorina. Mbola mampanahy hatrany ihany koa ny tsy fandriam-pahalemana eto Madagasikara ka matahotra mandray risika ny mpandraharaha afaka manangana Indostria eto. Izany rehetra izany no mbola tsy mahatafavoaka ny fananganana sy famoronana Indostria hanodim-bokatra hany ka orinasa maka tombony kely (revente) no maro misy eto. Misy mihitsy aza moa karazan’olona manam-pahefana tsy te-hanova izao zavatra misy izao nohon’ny tombotsoany manokana amin’ny sehatra fanafaram-bokatra (importation) ka manakana amin’ny fomba rehetra ireo izay mba manana tetikasa hanodina sy hanondrana vokatra eto Madagasikara .
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.