Mbola miandry ny fifidianana ho tanteraka soamantsara angamba ny mpanodim-bola sy ny mpandraharaha fa tena maivana ny fampiasam-bola amin’izao fotoana, araka ny tatitry ny filohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara, Fredy Rajaonera.
Nampahafantarina omaly alatsinainy 19 novambra tetsy amin’ny hotely Colbert Antaninarenina mantsy ny “baromètre de l’industrialisation de Madagascar faharoa” nokarakarain’ny “Alliance pour l’Industrialisation” ikambanan’ny FIVPAMA, SIM ary ny CREM. Tamin’izany no namoahan’izy ireo tatitra fa mbola ambany sy marefo hatrany aloha ny sehatra Indostria eto Madagasikara. Efa nisy ny fanolorana soso-kevitra sy ny fifampiresahan’ireo mpahay toekarena sy lehibena mpandraharaha ireo amin’ny fanjakana indrindra ny amin’ny fandaniana ny lalàna tetibola-panjakana taona 2019. Anisan’izany ny fangatahana fampiakarana ny haba ho ambonimbony kokoa ho an’ireo entana tonga avy any ivelany noho ny entana avy eto an-toerana. Tokony hitondra fampandrosoana eo amin’ny sehatra famokarana hatrany ny Indostria ary tena ainga vaon’ny toekarena Malagasy raha mahay manararaotra i Madagasikara, hoy izy ireo. Mbola misy ny fanantenana amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Malagasy raha mijery ny tarehimarika azo avy amin’ireo fanontaniana apetraka momba ny fandraharahana ara-Indostria (barométre). Sakana hatrany aloha ny angovo sy ny tsy fandriampahalemana amin’ny fananganana sy fampandrosoana ny Indostria Malagasy ka mahatonga ny tondro fampiroboroboana ny Indostria ho ambany. Manantena ireto mpisehatra ara-toekarena ireto fa aorian’ny fifidianana dia hisy ny politika mazava hampandrosoana haingana ny Indostria eto Madagasikara.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.