Nodinihana nandritra ny fotoana lava ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana hifehy ny fandaniambolam-panjakana amin’ity taona 2019 ity (LFR 2019).
Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra tamin’ny farany teo ihany izany ary tena mafy ny fandinihana sy ny fandrafetana azy, hoy ny mpahay lalàna Imbiky Herilaza. Mbola nahita vola 48 miliara Ariary azo ampiasaina tamin’ny alalan’ny fanitsiana ka hipaka tsara amin’ny fanodinana ny minisitera izany, indrindra hihatra mivantana amin’ny andavanandron’ny vahoaka Malagasy ny totaliben’io fandaniambolam-panjakana nasiam-panitsiana io, hoy izy. Raha araky ny lalàna indray dia nilaza ny tenany fa mitombona tsara ny fametrahana io LFR 2019 io satria tamin’ny volana febroary talohan’ny fahataperan’ny fe-potoana niasan’ny Antenimieram-pirenena dia nisy ny fanaovana ilay lalàna nampindram-pahefana teo amin’ny parlemanta ahafahan’ny filoham-pirenena mandray ny didy hitsivolana misolo ny lalàna izay tokony horaisina teny. Tsiahivina fa mbola mandalo eny anivon’ny Fitsarana Avo momban’ny Lalàmpanorenana ity volavolan-dalàn’ny tetibola ity hojerena raha mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ary ny fifanarahana ara-bola mampisy ny fiandrianam-pirenena no tena hodinihina amin’izany .
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.