Dossier

Imbiki Herilaza “Zava-dehibe ny fitsarana mitety vohitra”


  • Talata 22 Oktobra 2019

Nivoaka tamin'ny filankevitry ny minisitra fa manomboka ny 21oktobra izao ny fanaovana ny fitsarana mitety vohitra eto Antananarivo ary hitohy sy hiparitaka manerana ny Nosy.

 

 

 Io moa dia tohin'ny voalazan'ny filohan'ny Repoblika tamin'ny valandresaka nataony. Mba hanenana ny isan'ny voafonja vonjimaika tsy mbola nandalo fitsarana, ary mahakasika indrindra ny adiheloka tsotra. Inoana fa hisy vokany azo tsapain-tanana haingana io fanapahan-kevitra io. Voalaza ihany koa ny tokony handanjalanjana ny fampidirana am-ponja na ny fanasaziana, ny adiheloka bevava... Mahatonga ireo dosie tsy mety vita dia noho ny fahasahiranana ara-bola, hoy i Imbiki Herilaza. Ohatra ilay olona ampanantsoina hanao vavolombelona na ny mpitory mba hiakatra any amin`ny tanàn-dehibe hamitana ilay fitsarana. Tsy manam-bola ihany koa hanakarama vadin-tany hanaterana ireny fampiantsoana maro samihafa ireny,  hany ka tavela eo an-taonany”. Noho izany, mitongilana be ny isan`ireo voafonja vonjimaika raha oharina amin`ireo voafonja tena migadra sy mahazo fanasaziana. Notsiahiviny fa efa nisy ny fitsarana mitety vohitra teo aloha, 6 taona lasa izay saingy tsy afaka nanao izay ny ankabeazan`ireo fitsarana noho ny tsy fisian`ny vola entina manao izany. Antony namerenana izany dia tsapa fa be loatra ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika fa tsy voatsara ary miandry fitsarana. Ny voafonja sasany dia efa tapitra ny famonjana vonjimaika. Mba hahafahana manao izany dia alefa ireo mpitsara eny amin`ny ambarantonga voalohany manao fitsarana mitety vohitra. Mitety eraky ny toerana izay misy ny fahefany amin`ilay fitsarana hiasany. Any no manao fanadihadiana ifotony (enquete forraine), indrindra any no mitsara any ifotony, hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa  misy ny fitsarana ambaratonga voalohany manana ny atao hoe “competence territoriale”. Eto Antananarivo mipaka any Sabotsy Namehana, Manjakandriana, Mahitsy Ambatofotsy… Any Mahajanga dia mipaka any Tsaratanàna, Ambato-Boeny, Soalala…

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT