Dossier

Hosoka sy fitsoahana ara-ketra Miroborobo loatra eto Madagasikara


  • Talata 26 Febroary 2019

Olana hatrany eto Madagasikara ny hamaroan’ny sehatra tsy ara-dalàna mitarika ny hosoka sy ny fitsoahana ara-ketra.

 

Izany no antony mampitotongana hatrany ny tahan’ny fampidiran-ketra eto amin’ny firenena. Manoloana izany indrindra no nisian’ny atrikasa mandritra ny 3 andro nanomboka omaly alatsinainy 25 febroary tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina. Iarahana amin’ireo sampandraharahan’ny hetra aty Afrika (ATAF) sy ny fitantanana ankapoben’ny hetra io atrikasa io ary ezaka hatao ny hitondra fanavaozana tanteraka amin’ny tontolon’ny hetra. Efa tafiditra amin’io tambajotra io i Madagasikara ary efa dingana faharoa no hatao amin’ilay tetikasa akademika EMT (Master Exécutif en Fiscalité) izay mampiofana manodidina ny tontolon’ny hetra. Misy ireo manampahaizana manokana afrikanina mizara traikefa vokatry ny fikarohana nataony amin’ny lafiny ara-ketra. Fampiofanana momba ny fifehezana ny rafitra ara-ketra (fiscalité) eto Afrika ity atrikasa atao ity izay iarahana amin’ireo oniversite malaza eto Afrika sy any Eoropa ihany koa. Amin’izany indrindra no hamolavolana ireo karazam- piofanana izay miezaka mampifandray ny tena filana sy ny zava-misy marina eto Afrika amin’ny tontolo ara-ketra. Ahafahana misafidy tsara ny seha-pampianarana sy ireo oniversite manana ny maha izy azy manome fiofanana mendrika sy mahafehy ireo tenim-pirenena malaza eran-tany ihany koa ity atrikasa ity. Tsy vitan’ny fampiofanana fotsiny fa hampifandray ny fikarohana sy ny fampiharana ny amin’ny lafiny asa mihitsy amin’ireo mpianatra manaraka fiofanana. Araka izany dia miankina tanteraka amin’ny filàn’ny firenena tsirairay avy mihitsy no andrafetana ny fandaharan’asa momba io fampiofanana io hiadivana amin’ny olana ara-ketra misy eto amin’ny firenena.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT