Dossier

Hopitalim-panjakana ao Moramanga Nahazo fiara sy fitaovam-pitsaboana avy amin’Ambatovy


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Laharampahamehana voalohany ho an’Ambatovy ny fahasalamana sy ny fikojakojana ary ny fitandroana ny aroloza ka taratra ao anatin’ireo hetsika maro samihafa efa notanterahina ho fampandrosoana ireo faritra iasan’ny orinasa izany.

 

 

 

Nanolotra fiara mpitondra marary 2 arifomba sy fitaovam-pitsaboana manodidina ny 550 tapitriasa Ariary ho an’ny Hopitalim-panjakana (CHRD) ao Moramanga sy ny Service Medical Inter-entreprises de Moramanga (SMIMO) indray ny Orinasa. Tohin’ny hetsika samihafa efa notanterahin’Ambatovy ho fanohanana ity CHRD ity  izao ary tafiditra anatin’izany ihany koa ny fanomezana fandriana ho an’ny hôpitaly. Tanjona ny hanatsarana ny asa atao  amin’ny toeram-pitsaboana mba ahafahan’ireo mpitsabo mandray an-tanana ireo marary araka izay haingana. Iray amin’ireo tetikasa izay novatsiana tamin’ny alalan’ny Tahirin’Ambatovy ho an’ny tetikasa sosialy (FIS) ity fanomezana ity. Mitentina 25 tapitrisa dolara izany ary natokana hanaovana fotodrafitrasa sy hamatsiana ireo tetikasa sosialy. Miisa 17 ny tetikasa ao anatin’ny FIS ary efa vita tamin’ny taon-dasa ny ankamaroan’ireo vokatry ny fiaraha-miasa nisy teo amin’Ambatovy sy ireo manampahefana isan-tsokajiny.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT