Nohenjehina fatratra i Marc Ravalomanana fa nanao ampihimamba tamin’ny asa fandraharahana nataony.
Rehefa niongana anefa izy ny taona 2009 dia mba nisy orinasa ana Malagasy nandimby ny orinasany sy nahavita tahaka azy sy nahavaly ny filan’ny Malagasy ve ? Tsara kalitao ny vokatry ny orinasa Tiko tamin’ireny raha tsy hilaza afa tsy ny menaka, izay tsy nisy intsony marika Malagasy taorian’ny fandorana sy ny fandrobana ny orinasany tamin’ny taona 2009. Ataon’ny karana ampihimamba ny asa fandraharahana amin’izao. Ireo orinasa Malagasy nambara fa lasibatra sy potika noho ny ampihimamba dia nanana fotoana nahafahana nanangana sy nanorina ireo orinasa nolazain’ny mpanongam-panjakana tamin’izany fa tratry ny antsojay sy ny ampihimamba kanefa tena nisy nitsangana ve taorian’ny 2009 ? Mety nisy tsy fahazakana fifaninanana tao, ary ny krizy teto no vao mainka namotika ny rehetra. Fahamaizana orinasa sy fikatonana orinasa an’arivony no nisy teto ny taona 2009, ary misy ny tsy tafarina mandrak’androany. Ny mpitondra tamin’izany notarihin’i Andry Rajoelina, izay nanana herijika betsaka afaka nanangana sy nanorina orinasa mba hiasan’ny Malagasy aza toa tsy mahatoky akory an’i Madagasikara ka any Dubaï, Frantsa, Maurice,… no nanaovany izany. Tsy fankahalana vahiny sanatria fa tsy takona afenina ny endrika fampiadian’ny vahiny antsika, ary taratr’izany ireny 2009 ireny, izay nisy tamin’ireo no namatsy vola ny fanonganam-panjakana. Ataony fitaovana ny tsy fitovian-kevitra ara-politika eto amin’ny firenena, ka isika mianakavy no mifamotika fa izy ireo kosa mitohy ny bizina sy fakana ny haren’ny Malagasy mivantana na an-kolaka. Mandeha ny fanenjehana samihafa ataon’ny Bianco sy SAMIFIN (Sampandraharaha miady amin’ny famotsiam-bola), fa tsy mbola nisy angamba na tamingana vahiny aza mba tratran’izany, ary na fitsirihana aza mety tsy misy. Mety misy ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpandraharaha Malagasy, fa indraindray dia hita taratra ihany fa ambadika politika sy ny ory hava-manana no hifamotehana sy hifaminganantsika eto. Mila fahatongavan-tsaina sy fifohazam-panahy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.