Dossier

Hetsika RSE Mifanakalo hevitra ny orinasa sy ny fiarahamonina


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Niditra tamin’ny andiany fahefatra tetsy amin’ny Garan’i Soarano omaly ary hifarana anio ny hetsika RSE na « Résponsabilité societale et entreprise ».

 

Araka izay moa dia tanjona ao anatin’ny hetsika ny hahafahan’ireo orinasa misafidy ny handray anjara amin’izany ny hametraka tamberin’andraikitra eo amin’ny fiarahamonina amin’ny alalan’ireo vokatry ny orinasany avy. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ireo minisitera voakasika ho famerenana ny tany tan-dalàna eo amin’ny sehatry ny fandraharahana moa ity tanjona ity, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana. Anisan’ny hapetraka ny antsoina hoe « label verte » ho an’ireo orinasa manaja ny tontolo iainana sy mahaolona. Natao hifanakalozana eo amin’ny orinasa sy ny mpiara-miombon’antoka aminy rehetra ny « Salon RSE » saingy amin’ny maha zava-baovao azy eto Madagasikara raha mitaha amin’ny an’ny firenen-kafa dia mbola olana ny tsy fahafantarana, hoy ny mpikarakara.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT