Betsaka ireo tokantrano tsy mety mandoa hetra eto Antananarivo Renivohitra na dia efa isan-taona aza no hanaovana azy ary manomboka amin’ny 2.000 Ar.
Nitondra fanazavana mikasika izay Atoa Ndramanoro François assistant de direction eo anivon’ny sampandraharahan’ny fitantanam-bola eo anivon’ny kaominina. Nambarany fa hikarakarana ny vahoakan’Antananarivo Renivohitra ihany ireny hetra alaina aminy ireny, ho an’ireo Boriborintany enina eto an-drenivohitra. Anisany ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasan’ny kaominina izay miasa ho an’ny vahoaka. Ny fametrahana ny jiro an-dalambe hampitoviana ny tombontsoan’ireo tokantrano tsy afaka mametraka herinaratra eny an-tokotany. Ny fanamboarana toeram-panasan-damba eny anivon’ny fokontany izay notsindriany manokana fa tsy ho zakan’ny tetibolan’ny fokontany velively, ny fanamboarana lalankely, ny fanamboaran-dalana, indrindra ho an’ireo lalana kaominaly izay ialan’ny fanjakana hatrany, ny fampandehanan-draharaha eny anivon’ny kaominina. Farany dia nomarihin’Atoa Ndramanoro François ihany koa fa hividianana ireo taratasy eny anivon’ny tranompirintim-pirenena hanamboarana bokim-pianakaviana, kopia mari-pahaterahana, kopia nahafatesana… ihany koa ireny hetra aloantsika ireny. Raha vao tsy voaloa ao anatin’ny telo volana aorian’ny hahatongavany moa ireny hetra ireny dia mahavoasazy avy hatrany amin’ny alalan’ny tataon-ketra manaraka azy. Ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia efa mivoaka ankehitriny ny hetran-trano sy hetran-tany taona 2018, raha araka ny fantatra hatrany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.