Dossier

Hery ara-toekarena Nosongonan’i Inde i Frantsa


  • Alakamisy 19 Jolay 2018

Nihemotra faha fito i Frantsa ary lasa laharana fahenina i Inde araka ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tamin’ny 11 jolay farany teo.

  Efa nihoaran’izy ireo ny harinkarena faoben’ny frantsay tamin’ny taona 2017:  2597 miliara dolara ny an’ny karana raha toa ka 2582 miliara dolara ny an’i Frantsa. Nihazakazaka be tahaka ny an’i Sina ny fitombon’ny harinkaren’izy ireo satria tao anatin’ny 10 taona dia lasa avo roa heny izany. Efa mahatratra 7% mahery izany tamin’ity taona 2018 ity ary eritreretina hanafosafo ny 8% izany amin’ny taona 2019. Ny fandrosoan’ny sehatra fanabeazana, ny fahasalamana, ary ny fifandraisan-davitra no tena nampiainga tanteraka ny toekareny. Ankoatra izay dia nandroso be koa ny fampidiran-ketra noho ireo orinasa maro misehatra amin’ny fanarahan-dalàna araka ny tatitry ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Nanambara mihitsy aza moa ny kabinetra mpanao fanadihadiana iray any  Londres fa raha voatazon’i Inde izao hafainganam-pandehany ara-toekarena izao dia hosongonany indray i Royaume-Uni amin’ny fiafaran’ny taona 2018 ary mety  ho laharana fahatelo ihany koa izy amin’ny taona 2032. Etsy an-daniny dia nanatsara tanteraka ny toekaren’i Lafrantsa ny nahazoany ny amboara maneran-tany tamin’ny fifaninanana baolina kitra iny. Nitombo be mantsy taorian’iny ny sehatra fizahantany sy ny famokarana anatiny mifandraika amin’iny fifaninanana iny. Andrasana ny tarehimarika sy ny akon’izany amin’ny laharany manerantany izay nihoaran’i Inde ity. Anatin’ny fifaninanana amin’ny fampandrosoana tanteraka ny firenena matanjaka fa i Madagasikara ihany koa mihazakazaka mamonjy mankany amin’ny farany hatrany.


Tsiry

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT