Dossier

Herisetra amin’ny fikirakirana internet Ny 84%-n’ny tanora Malagasy no efa lasibatra


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Ny 84%-n’ireo tanora mampiasa internet nanaovan’ny fikambanana ONG Youth First fanadihadiana dia nanambara fa efa niharan’ny herisetra avokoa.

 

 

Nanambara ny fikambanana tamin’ny faran’ny herinandro teo tetsy amin’ny foibeny Marohoho Tsimbazaza fa  tokony hisy ezaka matotra ho fiarovana ny tanora mahakasika izany. Zava-doza ny zatra-mitranga ankehitriny, hoy izy ireo satria efa mahatratra 2 600 000 ny isan’ireo mpikirakira internet eto Madagasikara ka ny 54% amin’ireo dia tanora avokoa. Hisy ny hetsika lehibe mitondra ny lohateny hoe “Safer Internet Day” hotanterahina ny 29 febroary ho avy izao hampahafantarana ireo tanora ny fiarovantena manoloana ny herisetra anaty tambajotra aterineto. Noho izany ihany koa no nanaovan’izy ireo antso amin’ireo tompon’andraikitra mba handray fepetra mahakasika izany satria tena misy ary manjaka ny herisetra mahazo ireo tanora na dia efa misy aza ny lalàna n° 2014-006 sy 2019-031 mahakasika ny cybercriminalité. Ankoatr’izay dia namolavola ny fandaharan’asa SAHY izay maharitra 3 taona ny fikambanana ONG Youth First mba tsy hitera-doza fa ho tombony amin’ny tanora ny fampiasana ny internet. Mikasika ny fihaonana amin’ny 29 febroary dia hisy ny famelabelaran-kevitra, ny fampirantiana ara-tsary sy ny fampahafantarana ireo karazana herisetra tahaka ny cyberharcèlement, ny piratage, ny fanalam-baraka (diffamation), ny fanapariahana vaovao tsy marina (fake-news) sy ny sisa. Mazava ho azy fa hisy ihany koa ny vahaolana hatolotra mifandraika amin’ireo karazana herisetra rehetra misy ireo amin’io fotoana io. Ankoatra ny fikambanana ONG Youth First dia manampy amin’ny fanatanterahana ity hetsika “Safer Internet Day” ity ny Vondrona Iraisam-pirenena miaro ny ankizy sy ny zony (UNICEF) sy ny GIZ.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT