Dossier

Herinaratra Mila havaozina ny fitaovana sy ny fitantanana azy


  • Zoma 10 Aogositra 2018

Miverina indray ny fahatapahana herinaratra matetitetika eto an-drenivohitra na dia tsy mitsaha-miakatra aza ny vidin-jiro.

  Noho ny haratsian'ny fitaovana manodina ny tranon-jiro no voalaza fa antony. May lava io fitaovana io saingy tsy mbola nisy mihitsy ny fanoloana ho vaovao hatreto. Tamin`ny herinandro lasa teo no kisy fahamaizana dia izao indray teny Ambanidia. Ny fahanteran`ny motera manodina herinaratra (transformateur) no antony. Milatsaka foana ny “disjoncteur” eny amin`ny andrin-jiro ka may na misy aza ny fikojakojana atao. Eo ihany koa ny tsy fahaizana mandrindra ny herinaratra. Tsy ferana ny fanelezana ny herinaratra (branchement) kanefa mihoatra ny tanjaka izay tokony hotsinjaraina. Misy kajy tokony hatao manokana satria mihoatra be ny mpanjifa, hany ka tsy mahazaka (sur-charge) ny ankamaroan`ireo “transfo”. Raha tokony 160 KWA ny tanjaka ao amin`ny tranon-jiro iray dia mihoatra noho ny hamaroan`ireo mpanjifa. Nampidirina foana ireo olona manao fangatahana herinaratra mba hampidim-bola ho an`ny orinasa. Izao indray dia ny fanjakana indray no mampirisika hoe ampidiro. Misy hifandraisany amin`ny fifidianana ve ? Maro no fitaovana tokony hamboarina ny fanaparihana ny herinaratra isan-tokantrano toy ny famokarana, ny “ligne”, ny “suspension”… ka izay vao mampiditra mpanjifa vaovao indray satria mila ampitomboina ny tanjaky ny tranon-jiro. Misy ihany ireo“transfo” azo tamin`ny fifanarahana natao tamin`ny banky iraisam-pirenena saingy tsy hay hoe aiza no apetraka. Manahy ny mety hisian’ny zava-doza hitranga, araka izany, raha mbola mitohy ny fampiasana ireo fitaovana efa antitra ireo  .  Anisan’izany ny mandeha amin’ny herinaratra any an-tokantrano izay marihina fa tsy mbola nisy fandraisana an-tanana  izay  voany  hatramin’izay.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Dossier

  • Fitrandrahana safira
  • Zoma 11 Septambra 2026

manahirana, toekarena tsy manara-drafitra

  • Rabejean Miarinarivo
  • Alarobia 22 Jolay 2026

«Sao tokony averina

  • CHEF Aina, Service Traiteur
  • Zoma 05 Jona 2026

« Mila asa tsara sy matihanina

  • RASOLONJATOVO Rolland, mpitandrina
  • Zoma 29 Mey 2026

« Tandremo ny fakam-panahy»

  • RAVO, TOVOVAVY KELY MPANAO
  • Alarobia 12 Martsa 2025

KISARY AMIN’NY TAREHY

Hijery ny tohiny
FTT