Hisy ny fiaraha-miasa lehibe eo amin’ny Havila School etsy Mamory Ivato sy ny Business & Hotel Management School na BHMS avy any Soisa, araka ny fampahafantarana omaly tetsy amin’ny Hôtel Pietra Analakely.
Ny taona 2015 no nisokafan’ny Havila School izay naorin’ny chef Toky Andriantsitohaimanantena na Chef Toky Ramà. Niantomboka tamin’ny fampiofanana momba ny lakozia sy ny mofomamy ary niitatra tamin’ny Art culinaire, Art de la table, “hôtellerie” sy fizahantany ary “evenementiel” taty aoriana. Toeram-piofanana ao anatin’ny vondrom-pampianarana Benedict anisan’ny lehibe indrindra any Eoropa niorina ny 1928 raha ny 1998 kosa ny BHMS, manana foibem-pampianarana miisa 5, misy mpianatra avy amina firenena 90. Noho izao fiaraha-miasa izao, dia afaka ny hiofana any amin’ny BHMS any Soisa ireo mpianatra nahavita taom-pianarana roa taona ao amin’ny Havila School izay mahafeno ny fepetra. Hiitatra amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fampiofanana ireo mpianatra ao amin’ny Havila School. Hanomboka amin’ny volana novambra dia efa hisy mpianatra hanohy fianarana any Soisa ka diplaoma iraisam-pirenena no ho azony rehefa vita ny fiofanana. Manome toky rahateo ity sekoly ambony any an-toerana ity fa hanome asa ireo mpianatra rehetra nahavita fiofanana. Ankoatra izay, tao anatin’ny volana maromaro ny fiaraha-miasan’ny Hôtel Pietra sy ny Havila School, hoy Atoa Landry Rakotondrainibe, talen’ny Vondrona IGP izay misy ny Hôtel Pietra. Mandefa mpianatra manao fiofanana arak’asa na “stage” momba ny hotélerie, fahaizana mandray vahiny,... Mifameno ny an-daniny sy ny an-kilany. Herintaona sy tapany izay ny Hôtel Pietra etsy Analakely fa tsy ho ela ihany koa dia hisokatra ny Hotel Pietra ao Fianarantsoa. Tanjona ny hisian’ny Hotel Pietra 7 na 8 eto Madagasikara ao anatin’ny 5 taona, ary maniry ny hanitatra hatrany ampitan-dranomasina izy ireo, raha ny fanazavana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.