Betsaka ireo olona tratry ny hatavezana tsy ara-dalàna amin’izao fotoana na ilay antsoina hoe : « obesité ». Ireo ankizy latsaky ny 18 taona no tena betsaka voan’izy ity noho ny tsy fahaizana misakafo.
Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina mantsy dia tafahoatra loatra ny fihinanan’ny ankizy sakafo be siramamy toy ny mofomamy sy ny paty ohatra ankoatra ireo karazan-tsakafo vaovao hita sy miseho any anatin’ireo dokam-barotra maro samihafa ireny. Fa ankoatra izay hoy hatrany ity dokotera ity dia tsy dia mampiasa vatana ihany koa ny ankizy tratra ireny hatavezana tsy ara-dalana ireny. Tsy mba manokan-tena mandeha dia an-tongotra kely rehefa mamonjy fianarana ohatra fa variana mitaingina taxi-be hatrany no sady manao facebook, tranga iainan’ireo ankizy eto an-drenivohitra. Vahaolana tsotra aroson’ny dokotera Fidy araka izany ny hihinanana amin’ny antony ireo karazan-tsakafo ahitana ny hery fiarovana sy ny hery fiasana . Toraka izany koa legioma sy ny voankazo izay tokony hanao betsaka tokoa ankoatra ny fisotroana rano iray litatra isan’andro. Tsiahivina moa fa raha mirefy 1 m sy 40 ohatra ny olona iray dia tokony ho 30 kg ny lanjany ara-dalana, izay hoe : analana isa folo hatrany amin’ny halavana tarehimarika faharoa dia fantatra ny tokony ho lanjan’ny vatana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.