Omaly alatsinainy 12 novambra no nandraisan’ny Groupe Axian sy ny Fondation H tetsy amin’ny foiben-toerany Andraharo ireo tanora maherin’ny 80 avy amin’ny toerana tsizarizary.
Tanjona ny fampahafantarana an’ireo ankizy sy tanora ireo ny haren’i Madagasikara tamin’ny alalan’ny fampirantiana niainga tamin’ny fijerena ny tranonkala maneho izany. Ankoatra izay dia ezahina hampahalalana azy ireo ny ara-Malagasy sy ny tantarany ary ireo fahaiza-manaon’ny mpiangaly ny asa tanana eto Madagasikara mba tsy ho tompon-trano mihono izy ireo. Misy ny fikambanana eto an-toerana sy avy any ivelany manohana sy miaro ireo tanora ireo ka anisan’izany ny Graines de Bitume, Les enfants des rues, ny CEG Sabnam et l’ONG Ketsa. Nanambara ny mpanorina ny Fondation H fa zava-dehibe ny fahafantarana ny harena koltoraly sy ny zava-kanto ary tokony ho reharehan’ny taranaka mifandimby mihitsy. Izany no lala-miampita hiatrehana ny ho avy mamirapiratra ary tokony hisitraka izany fahafantarana ny harenany izany avokoa ny tanora eo amin’ny firenena. Mbola hitohy ny hetsika na ny eto Antananarivo na ny any amin’ny faritany ny volana novambra sy desambra indrindra ho an’ireo tanora mipetraka any amin’ny toerana tsizarizary ireny ho fampahafantarana ny haren’ny firenena Malagasy.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.